esperancia
Nouveau poète
Ho an'lay fahiny sy ny fony sarobidy No hanoratako ny lasa mba tsy hovery fa tadidy 'Lay diatongotray niaraka tamin'zany andro zany Indrisy akehitriny tototry ny vovon-tany Lasa ianao,nahoana? Izaho manirery toa misaona, Eny tsy fidiny ahy ny andao anao Fa an-tery no nahatonga izao. Tianao aho nefa indrisy! Eo aminao zany dia toy ny tsy misy. Aleonao nitia olon-kafa, Ka indro ianao fa lasa. Tadidiko foana nefa iano, Ka izany no natonga ahy hanoratra izao. Eny,veloma ianao ry malala, Fa aleo ny fahoriako tsy hisy pahalala. Esperancia