Raha mananatra i Neny, tezitra ka mba miteny,
Aza atao tsinontsinona ianao raha toa tsy toinina,
Azo lazaina ombieny, fa misy antony ireny,
Na latsa na kapoka na inona, hiafio fa tsy mba maninona.
Raha mikapoka i Dada, miteny ka mba mibadabada,
Mibedy mananatra anao, manitsy ireo ditra natao,
Ireny fitenin'i Dada, ireny no fiaron'ny manda,
Aza atao mahakivy anao, ataovy mahatonga aina vao.
Ny anatr'i Dada sy Neny, fanohitra enti-miteny
Sy zezika atao hampaniry, miezaka no faniriany,
Raha mangidy ny fiainana an- tany,aza kivy miarena hatrany,
Ny ezaka natao efa firy, aza maika fa alao re ny tsiny.
Henoy re ny Ray aman- dreny, fa misy vokatra tsara ireny,
Ifalio, hiresaho ny miafara,
Fa miafara eo anilan'i Neny, ka dia fahasambaran'ireny,
Miafara eo anilan'i Dada, dia fiadanana no ho tsapanao eny.