Nous utilisons des cookies pour vous garantir la meilleure expérience sur notre site web.
Si vous continuez à utiliser ce site, nous supposerons que vous en êtes satisfait.

  • Visiteur, merci de ne pas poster plus de 5 poèmes par jour. Ceci dans le but d'améliorer la visibilité du site.

FAHENDRENA

valy

Nouveau poète
#1
FAHENDRENA tsara indrindra,
Ny manaja izany teny,
Fa tsara angamba raha harindra,
Ilay fitiavana ombieny.

Dia FAHENDRENA ihany koa,
Mifanaja, mifanoro,
Tsy manao kitoatoa,
Fa dia vonona hijoro.

Koa ialao ankitsirano,
Ireo fosa, latsalatsa,
Fa mapiditra angano,
Ka avy eo vao voalatsa.

Koa ialaho hery aky rahavako,
Ny tsy mitady fahendrena,
Matokia ny fitiavako,
Dia hahazo fandresena.