• Visiteur, merci de ne pas poster plus de 5 poèmes par jour. Ceci dans le but d'améliorer la visibilité du site.

FAHENDRENA

  • Auteur de la discussion Auteur de la discussion valy
  • Date de début Date de début

valy

Nouveau poète
FAHENDRENA tsara indrindra,
Ny manaja izany teny,
Fa tsara angamba raha harindra,
Ilay fitiavana ombieny.

Dia FAHENDRENA ihany koa,
Mifanaja, mifanoro,
Tsy manao kitoatoa,
Fa dia vonona hijoro.

Koa ialao ankitsirano,
Ireo fosa, latsalatsa,
Fa mapiditra angano,
Ka avy eo vao voalatsa.

Koa ialaho hery aky rahavako,
Ny tsy mitady fahendrena,
Matokia ny fitiavako,
Dia hahazo fandresena.
 
Retour
Haut